Given by the Prince of Peace - JESUS
Blessings are upon the head of the just: (Proverbs 10:6)



TESTIMONIES



English  |  German  |  Haitian Creole  |  Italian  |  Kinyarwanda  |  Kiyombe

Lingala  |  Malayalam  |  Polish  |  Spanish  |  Tamil  |  Telugu


sepline

Feno fisaorana an' Andriamanitra aho fa manana namana toa azy, mihoatra noho ny namana, rahavavy malala iray ao amin' i Jesosy Kristy.

Efa toy izany nandritra ny taona maro izahay. Tsy mbola nihaona taminy mihitsy aho, na nahita azy tamin' ny alalan' ny sary, na nandre azy nitoriteny; fa satria manoratra "tracts" mahafinaritra maro izy, izay alefany aty amiko tsindraindaray dia afaka mahafantatra ilay efa nataoko ho namana aho.

Ankizivavin' Andriamanitra izy, mahatoky sady tia an' i Jesosy amin' ny fony. Afaka mahatsapa ny fahatsaram-panahiny aho rehefa miresaka amiko minitra vitsivitsy amin'ny "téléphone" izy.

Andriamanitra anie hitahy be dia be azy sy ny asa fanompoany satria mahotoky izy ireo tamin' izay rehetra nataony ho ahy, dia ny vavaka sy ny fanomezana ara-bola nandritra izay taona maro rehetra izay.

Ireo asa sorany feno hosotra dia mampahery sy manampy ahy ao amin'ny fiarahako mandeha amin'ny Tompo. Apetrako eo ambonin' ny latabatra kely iray izy ireny mba hahafahan' ireo rehetra mahay teny anglisy na teny frantsay tonga ao an-tranoko, mahita sy mamaky azy ireny.

Ry Rahavavy, mba tiako ho fantatrao fa misy rahavavy iray avy lavitra, aty amparan'ny tany, ao amin' ny Nosy Madagasikara, tia anao sy mivavaka ho anao sy ho an'ny asa fanompoanao ary ho an'ny fianakavianao.

Samoelia R. izany rahavavy izany.

Derao Andriamanitra. Amen.

Samoelia R.

sepline 

If you have in the past, attended Sister Therese Collins’ Ministries, and have received salvation, blessing or healing, we invite you to share it with us.

Sister Therese Collins’ Ministries


C.P. 205 Succ. St-Michel
Montreal, Qc, Canada, H2A 3L9

Telephone : (514) 803-4748
E-mail: info@sistercollinsministry.com

Any abusive language will not be read.